- Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,
noho ny voninahitry ny anaranao;
ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay,
noho ny anaranao. - Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
- Eo an-tananao ny androko;
Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko
sy izay manenjika ahy. - Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah
ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra. - Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.
- Isaorana anie ny Tompo
Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro,
eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. - Fa izaho, dia feo midera
no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao,
Ary izay nivoadiako dia hefaiko;
An'i Jehovah ny famonjena. - Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.
- Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è!
Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah;
Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo. - Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao;
vonjeo amin'ny famindram-ponao aho. - Dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana.
- Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?
- Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
- Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy.
- Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
- Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo?
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fiainana mandrakizay
Ary Izaho manome azy...
Fahasoavana
Koa aoka isika hanatona...
