DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Famonjena (3/4)

  • Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.
  • Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana
    No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
  • Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin'i Jesosy Kristy.
  • Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona.
  • Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona,
    ary ny fahotanao tahaka ny rahona;
    Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
  • Fa Jehovah no Mpitsara antsika;
    Jehovah no mpanome lalàna antsika;
    Jehovah no mpanjakantsika;
    Izy no hamonjy antsika.
  • Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.
  • Sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
  • Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony,
    ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
  • Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina,
    izay monina mandrakizay, masina no anarany:
    Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako,
    ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena,
    hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena
    sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo.
  • Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.
  • An'i Jehovah ny famonjena;
    Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.
  • Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
  • Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy,
    ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.
  • Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina", olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga.
  • Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty.
  • Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
  • Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah,
    Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho;
    Andriamanitro no hihaino ahy.
  • Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.
  • Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
    dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
  • Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay;
    ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
  • Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
  • Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
  • Fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena.
  • Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.

Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,
noho ny voninahitry ny anaranao;
ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay,
noho ny anaranao.
Hamantatra bebe kokoa...