DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Famonjena (2/4)

  • Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
    Ary tsy misy voany ny voaloboka,
    Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
    Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
    Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
    Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
    Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
    Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.
  • Satria malala eo imasoko ianao,
    eny, be voninahitra ianao sady tiako,
    dia olona no omeko ho solonao,
    ary firenena ho solon'ny ainao.
  • Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena.
  • Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
    ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.
  • Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
  • Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
  • Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
  • Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
  • Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
  • Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
  • Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
  • Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
    Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy;
    Andriamanitro, vatolampy ialofako,
    sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
  • Koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
  • Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
  • Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
  • Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
  • Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana;
    Vonjeo aho, dia ho voavonjy;
    Fa Hianao no fiderako.
  • Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
  • Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo.
  • Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana
    No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
  • Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
  • Ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy.
  • Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.
  • Fa Jehovah no Mpitsara antsika;
    Jehovah no mpanome lalàna antsika;
    Jehovah no mpanjakantsika;
    Izy no hamonjy antsika.
  • Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro;
    fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy;
    Hianao no andrasako mandritra ny andro.

Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony,
ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana