- Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota;
Fa izay mahatana ny molony no hendry. - Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
- Ato am-poko no iraketako ny teninao,
Mba tsy hanotako aminao. - Ny fahamarinana manandratra ny firenena;
Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona. - Ny fahotako nambarako taminao,
ary ny heloko tsy mba nafeniko.
Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho;
ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. - Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
- Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.
- Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
- Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika
sy notorotoroina noho ny helotsika,
ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy;
ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. - Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
- Misasà ianareo, diovy ny tenanareo,
Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo;
Mitsahara, fa aza manao ratsy. - Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny,
Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy. - Ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
- Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota.
- Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
- Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy;
Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty. - Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
- Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona,
ary ny fahotanao tahaka ny rahona;
Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho. - Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
- Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika.
- Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra,
noho ny fitarainako mandrakariva. - Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.
- Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.
- Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana
No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. - Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Famelàn-keloka
Izay te-ho be fitiavana...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fiovam-po
Raha ny oloko izay...
Fahasoavana
Koa aoka isika hanatona...
Fanadiovana
Koa raha manana ireo...
