DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fahotana (3/6)

  • Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah:
    Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo,
    Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala,
    Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza,
    Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
  • Ny fahamarinana manandratra ny firenena;
    Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona.
  • Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota;
    Fa izay mahatana ny molony no hendry.
  • Ato am-poko no iraketako ny teninao,
    Mba tsy hanotako aminao.
  • Ny fahotako nambarako taminao,
    ary ny heloko tsy mba nafeniko.
    Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho;
    ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
  • Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
  • Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.
  • Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
  • Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika
    sy notorotoroina noho ny helotsika,
    ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy;
    ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
  • Misasà ianareo, diovy ny tenanareo,
    Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo;
    Mitsahara, fa aza manao ratsy.
  • Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
  • Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny,
    Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.
  • Ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
  • Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota.
  • Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
  • Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy;
    Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
  • Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
  • Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona,
    ary ny fahotanao tahaka ny rahona;
    Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
  • Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
  • Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika.
  • Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.
  • Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra,
    noho ny fitarainako mandrakariva.
  • Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.
  • Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
  • Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana
    No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;
Afehezo eo am-bozonao izany,
Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana