- Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
- Nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
- Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
- Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko;
Dia hihamaro ny taona hiainanao. - Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina,
izay monina mandrakizay, masina no anarany:
Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako,
ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena,
hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena
sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo. - Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo.
- Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.
- Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô,
Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho;
Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao. - Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.
- Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony,
ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy. - An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.
Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. - Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.
- Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.
- Fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany; kanefa kosa ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
- Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
- Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
- Sambatra ny mahitsy lalana,
Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah. - Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
- Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.
- Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany.
- Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.
- Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
- Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava.
- Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany.
- Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Hanina
Fa mahafa-po ny fanahy...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Famoroana izao tontolo izao
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
