DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fiankohofana (3/3)

  • Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.
  • Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
  • Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
  • Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
  • Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô;
    Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
  • Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
  • Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena.
  • Ho faly sy ho ravoravo aminao aho;
    hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô.
  • Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
  • Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra.
  • Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra.
  • Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
  • Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena.
  • Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
    Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany;
    Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
  • Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako,
    satria nomenao fahendrena sy hery aho,
    ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao;
    fa nampahafantarinao anay ilay nofin'ny mpanjaka.
  • Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra!
    Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany.
  • Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah.
  • Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,
    noho ny voninahitry ny anaranao;
    ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay,
    noho ny anaranao.
  • Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
  • Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa;
    Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
  • Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony;
    Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany.
  • Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
  • Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô!
    aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
  • Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.
  • Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe: Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Sokafy ny vavanao hisolo ny moana,
Hahazoan'ny kamboty ny rariny.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana