Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
Mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara.
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.
Mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy.
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.