DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Lalàna (3/5)

  • Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.
  • Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah
    Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
  • Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
  • Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
  • Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah,
    mamelombelona ny fanahy;
    mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah,
    mahahendry ny kely saina.
  • Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
    Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany;
    Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
  • Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
  • Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
  • Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao,
    Fa tsy ho amin'ny fieremana.
  • Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa, nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.
  • Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao;
    Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
  • Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
  • Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika.
  • Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy.
  • Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
  • Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
  • Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany. Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
  • Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho
    Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina.
  • Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
  • Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo;
    madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.
  • Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany, dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa.
  • Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny,
    Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.
  • Anaka, aza manadino ny lalàko;
    Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
    Fa andro maro sy taona ela iainana
    Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
  • Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
  • Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy;
Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana