DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Jolay 2024)

Alarobia 31 Jolay 2024

Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby.

Talata 30 Jolay 2024

Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra.

Alatsinainy 29 Jolay 2024

Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.

Alahady 28 Jolay 2024

Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Asabotsy 27 Jolay 2024

Fanilon'ny tongotro
Sy fanazavana ny lalako ny teninao.

Zoma 26 Jolay 2024

Fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.

Alakamisy 25 Jolay 2024

Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.

Alarobia 24 Jolay 2024

Aza manao anao ho hendry;
Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany
Sy ho fanamandoana ny taolanao.

Talata 23 Jolay 2024

Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.

Alatsinainy 22 Jolay 2024

Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.

Alahady 21 Jolay 2024

Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka;
Fa Jehovah manohana ny marina.

Asabotsy 20 Jolay 2024

Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory".

Zoma 19 Jolay 2024

Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

Alakamisy 18 Jolay 2024

Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana;
Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.
Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy.

Alarobia 17 Jolay 2024

Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.

Talata 16 Jolay 2024

Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.

Alatsinainy 15 Jolay 2024

Fa Jehovah tia rariny
sady tsy hahafoy ny olony masina;
Harovana mandrakizay ireo;
Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana.

Alahady 14 Jolay 2024

Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay.

Asabotsy 13 Jolay 2024

Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.

Zoma 12 Jolay 2024

Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.

Alakamisy 11 Jolay 2024

Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.

Alarobia 10 Jolay 2024

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.

Talata 9 Jolay 2024

Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro,
ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy,
dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.

Alatsinainy 8 Jolay 2024

Mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy.

Alahady 7 Jolay 2024

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.

Asabotsy 6 Jolay 2024

Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao;
Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana,
Ka tsy ho foana ny fanantenanao.

Zoma 5 Jolay 2024

Fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana.

Alakamisy 4 Jolay 2024

Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.

Alarobia 3 Jolay 2024

Jehovah miaro ny vahiny
Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena,
Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa.

Talata 2 Jolay 2024

Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.

Alatsinainy 1 Jolay 2024

Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Be saina izay mahatsindry fo;
Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana