Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
Izao no lazain'i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.