- Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.
- Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
- Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.
- Mampahatanjaka ny reraka Izy,
ary izay kely hery dia omeny hery be. - Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
- Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
- Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.
- Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
- Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po
Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra. - Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,
Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany. - Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
- Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
- Izay manisy soa olona hohatavezina;
Ary izay mandena dia mba holemana kosa. - Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
- Fa Jehovah no manome fahendrena;
Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina. - Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
- Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
- Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?
- Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
- Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
- Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy,
Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. - Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. - Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.
- Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
- Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Jereo ireo andinin-teny ao amin'ny Baiboly 100 malaza indrindra ao amin'ny DailyVerses.net.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana;Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.Andinin-teny manaraka !
