- Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
- Endrey, tsara sady mahafinaritra
Raha ny mpirahalahy no miara-monina. - Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
- Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,
dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. - Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
- Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
- Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy:
Fa mandrakizay ny famindram-pony. - Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
- Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka;
Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza. - Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko?
ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
Manantenà an'Andriamanitra,
fa mbola hidera Azy ihany aho,
Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. - Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.
- Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.
- Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana;
Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina. - Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,
Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona. - Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
- Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
- Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
- Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
- Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
- Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.
- Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
- Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.
- Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
- Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah.
Haleloia. - Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.
Jereo ireo andinin-teny ao amin'ny Baiboly 100 malaza indrindra ao amin'ny DailyVerses.net.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
