- Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
- Sambatra ny mpampihavana;
fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra. - Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
- Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.
- Jehovah Tompo no tanjako,
Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy
Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. - Sambatra ny olona
izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy,
ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota,
ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira. - Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
- Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.
- Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
- Dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.
- Mitahy antsika Andriamanitra;
ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra. - Aza manao anao ho hendry;
Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany
Sy ho fanamandoana ny taolanao. - Sambatra ny madio am-po;
fa izy no hahita an'Andriamanitra. - Jehovah hanome hery ny olony;
Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana. - Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa
Sady mahita sitraka amin'i Jehovah. - Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.
- Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. - Fa sitrak'i Jehovah ny olony;
Ravahany famonjena ny mpandefitra. - An'i Jehovah ny famonjena;
Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao. - Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
- Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena.
- Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
- Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina;
Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. - Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fahasoavana
Koa aoka isika hanatona...
Fiadanana
Hitahy anao anie Jehovah...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.