DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fitahiana (3/4)

  • Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
  • Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela,
    Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
  • Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny,
    dia ny olona nofidiny ho lovany.
  • Sambatra ny ory;
    fa izy no hampifalina.
  • Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.
  • Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra.
  • Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
  • Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy
    Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny.
  • Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao;
    vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.
  • Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina;
    fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.
  • Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko;
    Dia hihamaro ny taona hiainanao.
  • Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
  • Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina;
    Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy.
  • Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
  • Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
  • Sambatra ny olona izay voavela
    ny helony sy voasarona ny fahotany.
  • Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?
    Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
  • Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è!
    Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
    Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah;
    Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo.
  • Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany, dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
  • Dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany; satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
  • Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.
  • Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra,
    koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha.
  • Ary tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.
  • Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
  • Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.

Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana