DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fitiavana (3/5)

  • Mamindra fo sy miantra Jehovah,
    Mahari-po sady be famindram-po.
  • Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro,
    ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy,
    dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.
  • Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao;
    ny molotro hidera Anao.
    Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho;
    amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
  • Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
  • Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
  • Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
  • Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
  • Ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.
  • Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
  • Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro,
    Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
  • Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika.
  • Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
  • Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
  • Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.
  • Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
  • Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao,
    ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
  • Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
  • Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.
  • Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
  • Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
  • Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
  • Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka
    Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
  • Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.
  • Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
  • Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Eo an-tananao ny androko;
Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko
sy izay manenjika ahy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ny fo ravoravo mahasalama tsara;
Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana