- Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany;
nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany;
amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina;
Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. - Mamindra fo sy miantra Jehovah,
Mahari-po sady be famindram-po. - Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao;
ny molotro hidera Anao.
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho;
amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako. - Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
- Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
- Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
- Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
- Ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.
- Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
- Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro,
Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. - Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika.
- Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
- Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
- Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.
- Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao,
ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao. - Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
- Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
- Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.
- Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
- Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
- Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
- Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka
Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao. - Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
- Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.
- Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Manaraka
Ary ny faharoa dia...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny fo ravoravo mahasalama tsara;Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.