- Mamindra fo sy miantra Jehovah,
Mahari-po sady be famindram-po. - Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany;
nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany;
amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina;
Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. - Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro,
ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy,
dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko. - Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
- Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
- Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
- Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
- Ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.
- Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro,
Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. - Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
- Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika.
- Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
- Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
- Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.
- Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao,
ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao. - Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.
- Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
- Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
- Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
- Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
- Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka
Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao. - Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
- Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
- Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.
- Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Manaraka
Ary ny faharoa dia...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô,fa hatrizay hatrizay ireny.
Aza ny fahotan'ny fahatanorako,
na ny ratsy nataoko, no tsarovanao;
fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy,
noho ny fahasoavanao Jehovah ô.
