DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fitiavana (2/5)

  • Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
  • Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.
  • Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa.
  • Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
  • Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po
    Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
  • Ny fankahalana dia manetsika ady;
    Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
  • Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
  • Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,
    fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
    Vaovao isa-maraina izany;
    lehibe ny fahamarinanao.
  • Koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.
  • Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
  • Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
  • Tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
  • Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
  • Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre
    Ny feon'ny fifonako Izy.
    Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy,
    Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
  • Fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy.
  • Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
  • Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
  • Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
  • Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
  • Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
  • Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.
  • Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo.
  • Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
  • Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany;
    nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany;
    amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina;
    Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
  • Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika.

Mamindra fo sy miantra Jehovah,
Mahari-po sady be famindram-po.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Izay manisy soa olona hohatavezina;
Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana