DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aogositra 2013)

Asabotsy 31 Aogositra 2013

Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.

Zoma 30 Aogositra 2013

Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana
Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah.

Alakamisy 29 Aogositra 2013

Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.

Alarobia 28 Aogositra 2013

Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.

Talata 27 Aogositra 2013

Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.

Alatsinainy 26 Aogositra 2013

Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

Alahady 25 Aogositra 2013

Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.

Asabotsy 24 Aogositra 2013

Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.

Zoma 23 Aogositra 2013

Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.

Alakamisy 22 Aogositra 2013

Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.

Alarobia 21 Aogositra 2013

Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.

Talata 20 Aogositra 2013

Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry;
fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.

Alatsinainy 19 Aogositra 2013

Izay mihary fahendrena no tia ny tenany,
Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.

Alahady 18 Aogositra 2013

Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.

Asabotsy 17 Aogositra 2013

Fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.

Zoma 16 Aogositra 2013

Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray;
Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay;
Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.

Alakamisy 15 Aogositra 2013

Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.

Alarobia 14 Aogositra 2013

Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.

Talata 13 Aogositra 2013

Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.

Alatsinainy 12 Aogositra 2013

Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

Alahady 11 Aogositra 2013

Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.

Asabotsy 10 Aogositra 2013

Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.

Zoma 9 Aogositra 2013

Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.

Alakamisy 8 Aogositra 2013

Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.

Alarobia 7 Aogositra 2013

Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.

Talata 6 Aogositra 2013

Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.

Alatsinainy 5 Aogositra 2013

Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.

Alahady 4 Aogositra 2013

Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;
ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.

Asabotsy 3 Aogositra 2013

Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.

Zoma 2 Aogositra 2013

Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota.

Alakamisy 1 Aogositra 2013

Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra aminy.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana