DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fahotana

  • Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
  • Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
  • Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
  • Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.
  • Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!
  • Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako;
    Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
  • Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.
  • Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.
  • Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô,
    araka ny fahasoavanao;
    araka ny haben'ny fiantranao
    vonoy ny fahadisoako.
    Sasao madio aho mba ho afa-keloka,
    ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
  • Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky;
    Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
  • Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.
  • Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?
  • Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro".
  • Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
  • Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
  • Sambatra ny olona
    izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy,
    ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota,
    ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira.
  • Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
  • Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
  • Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo".
  • Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
  • Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
  • Izay manafina ny fahotany tsy hambinina;
    Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
  • Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
  • Satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.
  • Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany.

Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana