DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fahotana (3/6)

  • Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy.
  • Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika.
  • Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.
  • Ny fahamarinana manandratra ny firenena;
    Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona.
  • Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
  • Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
  • Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
  • Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika
    sy notorotoroina noho ny helotsika,
    ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy;
    ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
  • Ny fahotako nambarako taminao,
    ary ny heloko tsy mba nafeniko.
    Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho;
    ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
  • Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
  • Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
  • Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny,
    Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.
  • Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy;
    Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
  • Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
  • Ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
  • Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota.
  • Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.
  • Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
  • Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona,
    ary ny fahotanao tahaka ny rahona;
    Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
  • Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika.
  • Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra,
    noho ny fitarainako mandrakariva.
  • Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana
    No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
  • Iza no Andriamanitra tahaka Anao,
    Izay mamela heloka
    Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany?
    Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy,
    Fa tia famindram-po.
  • Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.
  • Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.

Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana