Talata 20 Janoary 2026
Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena.Alatsinainy 19 Janoary 2026
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?Alahady 18 Janoary 2026
Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo:Rainay Izay any an-danitra,
hohamasinina anie ny anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Hatao anie ny sitraponao
etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Asabotsy 17 Janoary 2026
Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.Zoma 16 Janoary 2026
Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.Alakamisy 15 Janoary 2026
Sambatra ny olonaizay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy,
ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota,
ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira.
Alarobia 14 Janoary 2026
Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.Talata 13 Janoary 2026
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.Alatsinainy 12 Janoary 2026
Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko.
Alahady 11 Janoary 2026
Fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.Asabotsy 10 Janoary 2026
Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.Zoma 9 Janoary 2026
ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao;mitady Anao fatratra aho;
mangetaheta Anao ny fanahiko,
maniry Anao ny nofoko,
eto amin'ny tany maina
sy mangentana tsy misy rano.
Alakamisy 8 Janoary 2026
Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.Alarobia 7 Janoary 2026
Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.Talata 6 Janoary 2026
Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany,Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.
Alatsinainy 5 Janoary 2026
Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.Alahady 4 Janoary 2026
Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny?Asabotsy 3 Janoary 2026
Ary handeha amin'ny malalaka aho;Fa ny didinao no tadiaviko.
Zoma 2 Janoary 2026
Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.Alakamisy 1 Janoary 2026
Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...