DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Janoary 2026

Asabotsy 31 Janoary 2026

Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.

Zoma 30 Janoary 2026

Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô,
no iandrasanay Anao,
ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao
no irin'ny fanahinay.

Alakamisy 29 Janoary 2026

Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.

Alarobia 28 Janoary 2026

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Talata 27 Janoary 2026

Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy;
Andriamanitro, vatolampy ialofako,
sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.

Alatsinainy 26 Janoary 2026

Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.

Alahady 25 Janoary 2026

Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy.

Asabotsy 24 Janoary 2026

Izay mihary fahendrena no tia ny tenany,
Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.

Zoma 23 Janoary 2026

Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona.

Alakamisy 22 Janoary 2026

Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany.

Alarobia 21 Janoary 2026

Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany;
Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

Talata 20 Janoary 2026

Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena.

Alatsinainy 19 Janoary 2026

Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?

Alahady 18 Janoary 2026

Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo:
Rainay Izay any an-danitra,
hohamasinina anie ny anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Hatao anie ny sitraponao
etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.

Asabotsy 17 Janoary 2026

Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.

Zoma 16 Janoary 2026

Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

Alakamisy 15 Janoary 2026

Sambatra ny olona
izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy,
ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota,
ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira.

Alarobia 14 Janoary 2026

Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.

Talata 13 Janoary 2026

Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.

Alatsinainy 12 Janoary 2026

Anaka, raha hendry ny fonao,
Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko.

Alahady 11 Janoary 2026

Fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.

Asabotsy 10 Janoary 2026

Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.

Zoma 9 Janoary 2026

ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao;
mitady Anao fatratra aho;
mangetaheta Anao ny fanahiko,
maniry Anao ny nofoko,
eto amin'ny tany maina
sy mangentana tsy misy rano.

Alakamisy 8 Janoary 2026

Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.

Alarobia 7 Janoary 2026

Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.

Talata 6 Janoary 2026

Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany,
Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.

Alatsinainy 5 Janoary 2026

Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.

Alahady 4 Janoary 2026

Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny?

Asabotsy 3 Janoary 2026

Ary handeha amin'ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko.

Zoma 2 Janoary 2026

Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.

Alakamisy 1 Janoary 2026

Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.