Asabotsy 28 Febroary 2026
Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.Zoma 27 Febroary 2026
Ny fahotako nambarako taminao,ary ny heloko tsy mba nafeniko.
Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho;
ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
Alakamisy 26 Febroary 2026
Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.Alarobia 25 Febroary 2026
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.Talata 24 Febroary 2026
Ny didin'ny molony tsy mba nialako;Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.
Alatsinainy 23 Febroary 2026
Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.Alahady 22 Febroary 2026
Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.Asabotsy 21 Febroary 2026
An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
Zoma 20 Febroary 2026
Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.Alakamisy 19 Febroary 2026
Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.Alarobia 18 Febroary 2026
Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako:Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana,
sy hanaboraka ny fehin'ny zioga,
sy handefa ny ampahorina ho afaka,
ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
Talata 17 Febroary 2026
Sambatra izay olona mahita fahendrenaSy izay olona mahazo fahalalana.
Alatsinainy 16 Febroary 2026
Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.Alahady 15 Febroary 2026
Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Asabotsy 14 Febroary 2026
Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandreNy feon'ny fifonako Izy.
Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy,
Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
Zoma 13 Febroary 2026
Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.Alakamisy 12 Febroary 2026
Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.Alarobia 11 Febroary 2026
Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana;Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana.
Talata 10 Febroary 2026
Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.Alatsinainy 9 Febroary 2026
Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy,mba ho velona ianareo;
Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro,
araka izay efa nolazainareo.
Alahady 8 Febroary 2026
Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony,ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
Asabotsy 7 Febroary 2026
Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.Zoma 6 Febroary 2026
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.Alakamisy 5 Febroary 2026
Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rarinyAry ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
Alarobia 4 Febroary 2026
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.Talata 3 Febroary 2026
Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.Alatsinainy 2 Febroary 2026
Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra,Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao,
Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
Alahady 1 Febroary 2026
Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Satria malala eo imasoko ianao,eny, be voninahitra ianao sady tiako,
dia olona no omeko ho solonao,
ary firenena ho solon'ny ainao.Andinin-teny manaraka !