DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Martsa 2026

Talata 31 Martsa 2026

Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

Alatsinainy 30 Martsa 2026

Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra,
Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.

Alahady 29 Martsa 2026

Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra.

Asabotsy 28 Martsa 2026

Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.

Zoma 27 Martsa 2026

Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.

Alakamisy 26 Martsa 2026

Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa;
Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.

Alarobia 25 Martsa 2026

Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.

Talata 24 Martsa 2026

Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.

Alatsinainy 23 Martsa 2026

Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny
Katsaho mandrakariva ny tavany.

Alahady 22 Martsa 2026

Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.

Asabotsy 21 Martsa 2026

Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.

Zoma 20 Martsa 2026

Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah
Toy izay harena be misy ahiahy.

Alakamisy 19 Martsa 2026

Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo. Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.

Alarobia 18 Martsa 2026

Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.

Talata 17 Martsa 2026

Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô,
araka ny fahasoavanao;
araka ny haben'ny fiantranao
vonoy ny fahadisoako.
Sasao madio aho mba ho afa-keloka,
ary diovy aho mba ho afa-pahotana.

Alatsinainy 16 Martsa 2026

Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.

Alahady 15 Martsa 2026

Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.

Asabotsy 14 Martsa 2026

Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.

Zoma 13 Martsa 2026

Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.

Alakamisy 12 Martsa 2026

Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.

Alarobia 11 Martsa 2026

Isaorana anie ny Tompo
Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro,
eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika.

Talata 10 Martsa 2026

Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.

Alatsinainy 9 Martsa 2026

Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.

Alahady 8 Martsa 2026

Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy;
Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.

Asabotsy 7 Martsa 2026

Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.

Zoma 6 Martsa 2026

Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.

Alakamisy 5 Martsa 2026

Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina;
fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.

Alarobia 4 Martsa 2026

Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

Talata 3 Martsa 2026

Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.

Alatsinainy 2 Martsa 2026

Hamindra fo amintsika indray Izy
Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika,
Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.

Alahady 1 Martsa 2026

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.