Talata 21 Aprily 2026
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana;fa izy no hovokisana.
Alatsinainy 20 Aprily 2026
Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao.Alahady 19 Aprily 2026
Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!Asabotsy 18 Aprily 2026
Endrey, tsara sady mahafinaritraRaha ny mpirahalahy no miara-monina.
Zoma 17 Aprily 2026
Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.Alakamisy 16 Aprily 2026
Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.Alarobia 15 Aprily 2026
Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa;Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
Talata 14 Aprily 2026
Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.Alatsinainy 13 Aprily 2026
Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.Alahady 12 Aprily 2026
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
Asabotsy 11 Aprily 2026
Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.Zoma 10 Aprily 2026
Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.Alakamisy 9 Aprily 2026
Aleo ny kely omban'ny fahamarinanaToy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
Alarobia 8 Aprily 2026
Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay.Talata 7 Aprily 2026
Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.Alatsinainy 6 Aprily 2026
Ny volon'elany no anaronany anao,Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao;
Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
Alahady 5 Aprily 2026
Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona.Asabotsy 4 Aprily 2026
Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Zoma 3 Aprily 2026
Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.Alakamisy 2 Aprily 2026
Nitondra ny aretintsika tokoa Izysady nivesatra ny fahoriantsika;
kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina
sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.
Alarobia 1 Aprily 2026
Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana;fa izy no hovokisana.