Alahady 31 Mey 2026
Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.Asabotsy 30 Mey 2026
Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra,Amin'ny fitandremana ny didinao.
Zoma 29 Mey 2026
Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.Alakamisy 28 Mey 2026
Ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy.Alarobia 27 Mey 2026
Aoka ny masonao hijery mahitsy,Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
Talata 26 Mey 2026
Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.Alatsinainy 25 Mey 2026
Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.Alahady 24 Mey 2026
Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina,Fa Hianao no itokiako;
Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako,
Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
Asabotsy 23 Mey 2026
Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.Zoma 22 Mey 2026
Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.Alakamisy 21 Mey 2026
Fa Izaho Jehovah Andriamanitraono mitantana ny tananao ankavanana,
dia ilay manao aminao hoe:
Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Alarobia 20 Mey 2026
Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.Talata 19 Mey 2026
Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?Alatsinainy 18 Mey 2026
Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho;Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Alahady 17 Mey 2026
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.Asabotsy 16 Mey 2026
Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.Zoma 15 Mey 2026
Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!Alakamisy 14 Mey 2026
Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra.Alarobia 13 Mey 2026
Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.Talata 12 Mey 2026
Apetraho amin'i Jehovah ny entanao,ary Izy no hanohana anao;
tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Alatsinainy 11 Mey 2026
Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.Alahady 10 Mey 2026
Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.Asabotsy 9 Mey 2026
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina;Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
Zoma 8 Mey 2026
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.Alakamisy 7 Mey 2026
Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.Alarobia 6 Mey 2026
Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny fokosamy hankasitrahana eo imasonao,
Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
Talata 5 Mey 2026
Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?Alatsinainy 4 Mey 2026
Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.Alahady 3 Mey 2026
Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany;Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
Asabotsy 2 Mey 2026
Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.Zoma 1 Mey 2026
Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...