Talata 30 Jona 2026
Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.Alatsinainy 29 Jona 2026
Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah,ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
Alahady 28 Jona 2026
Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.Asabotsy 27 Jona 2026
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Zoma 26 Jona 2026
Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy;Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
Alakamisy 25 Jona 2026
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.Alarobia 24 Jona 2026
Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.Talata 23 Jona 2026
Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelonyKa mitady Azy amin'ny fo rehetra.
Alatsinainy 22 Jona 2026
Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!Alahady 21 Jona 2026
Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy.Asabotsy 20 Jona 2026
Aza mialona ny olon-dozabe,Na mifidy izay lalany akory,
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
Zoma 19 Jona 2026
Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.Alakamisy 18 Jona 2026
Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.Alarobia 17 Jona 2026
Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovahka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
Talata 16 Jona 2026
Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.Alatsinainy 15 Jona 2026
Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.Alahady 14 Jona 2026
Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena;izy no mampietry sy mampisandratra.
Asabotsy 13 Jona 2026
Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.Zoma 12 Jona 2026
Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?Alakamisy 11 Jona 2026
Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray;Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay;
Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
Alarobia 10 Jona 2026
Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany.Talata 9 Jona 2026
Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?Alatsinainy 8 Jona 2026
Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy,Raha azon'ny tananao atao ihany.
Alahady 7 Jona 2026
Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.Asabotsy 6 Jona 2026
Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.Zoma 5 Jona 2026
Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô,fa hatrizay hatrizay ireny.
Aza ny fahotan'ny fahatanorako,
na ny ratsy nataoko, no tsarovanao;
fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy,
noho ny fahasoavanao Jehovah ô.
Alakamisy 4 Jona 2026
Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.Alarobia 3 Jona 2026
Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo".Talata 2 Jona 2026
Izay manafina ny fahotany tsy hambinina;Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
Alatsinainy 1 Jona 2026
Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...