DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Jolay 2026

Zoma 31 Jolay 2026

Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

Alakamisy 30 Jolay 2026

Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.

Alarobia 29 Jolay 2026

Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah
amin'ny tanin'ny velona.

Talata 28 Jolay 2026

Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.

Alatsinainy 27 Jolay 2026

Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.

Alahady 26 Jolay 2026

Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry;
Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza.

Asabotsy 25 Jolay 2026

Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro.

Zoma 24 Jolay 2026

Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.

Alakamisy 23 Jolay 2026

Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah,
mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah,
mahahendry ny kely saina.

Alarobia 22 Jolay 2026

Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.

Talata 21 Jolay 2026

Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.

Alatsinainy 20 Jolay 2026

Izay mandinika ny teny no hahita soa;
Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.

Alahady 19 Jolay 2026

Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.

Asabotsy 18 Jolay 2026

Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.

Zoma 17 Jolay 2026

Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao;
ny fanahiko koa izay efa navotanao.

Alakamisy 16 Jolay 2026

Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.

Alarobia 15 Jolay 2026

Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.

Talata 14 Jolay 2026

Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay;
Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.

Alatsinainy 13 Jolay 2026

Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.

Alahady 12 Jolay 2026

Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.

Asabotsy 11 Jolay 2026

Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao;
Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.

Zoma 10 Jolay 2026

Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.

Alakamisy 9 Jolay 2026

Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.

Alarobia 8 Jolay 2026

Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.

Talata 7 Jolay 2026

Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

Alatsinainy 6 Jolay 2026

Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay,
eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.

Alahady 5 Jolay 2026

Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay
araka ny anantenanay Anao.

Asabotsy 4 Jolay 2026

Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.

Zoma 3 Jolay 2026

Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.

Alakamisy 2 Jolay 2026

Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara
Sy izay ilain'i Jehovah aminao,
Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po
Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena.

Alarobia 1 Jolay 2026

Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.