DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Aogositra 2026

Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.

Alahady 30 Aogositra 2026

Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.

Asabotsy 29 Aogositra 2026

Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.

Zoma 28 Aogositra 2026

Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro;
fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy;
Hianao no andrasako mandritra ny andro.

Alakamisy 27 Aogositra 2026

Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay.

Alarobia 26 Aogositra 2026

Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.

Talata 25 Aogositra 2026

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.

Alatsinainy 24 Aogositra 2026

Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.

Alahady 23 Aogositra 2026

Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.

Asabotsy 22 Aogositra 2026

Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao;
ny molotro hidera Anao.
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho;
amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.

Zoma 21 Aogositra 2026

Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.

Alakamisy 20 Aogositra 2026

Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.

Alarobia 19 Aogositra 2026

Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga;
Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.

Talata 18 Aogositra 2026

Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.

Alatsinainy 17 Aogositra 2026

Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.

Alahady 16 Aogositra 2026

Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.

Asabotsy 15 Aogositra 2026

Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.

Zoma 14 Aogositra 2026

Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.

Alakamisy 13 Aogositra 2026

Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy,
Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.

Alarobia 12 Aogositra 2026

Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.

Talata 11 Aogositra 2026

Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.

Alatsinainy 10 Aogositra 2026

Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko;
aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.

Alahady 9 Aogositra 2026

Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.

Asabotsy 8 Aogositra 2026

Fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho".

Zoma 7 Aogositra 2026

Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.

Alakamisy 6 Aogositra 2026

Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.

Alarobia 5 Aogositra 2026

Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.

Talata 4 Aogositra 2026

Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko;
fa Izy no antenaiko.

Alatsinainy 3 Aogositra 2026

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona.

Alahady 2 Aogositra 2026

Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.

Asabotsy 1 Aogositra 2026

Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.