DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Septambra 2026

Alarobia 30 Septambra 2026

Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina;
Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.

Talata 29 Septambra 2026

Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Alatsinainy 28 Septambra 2026

Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.

Alahady 27 Septambra 2026

Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany;
Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.

Asabotsy 26 Septambra 2026

Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.

Zoma 25 Septambra 2026

Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.

Alakamisy 24 Septambra 2026

Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy,
Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.

Alarobia 23 Septambra 2026

Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.

Talata 22 Septambra 2026

Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra.

Alatsinainy 21 Septambra 2026

Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra,
ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy.

Alahady 20 Septambra 2026

Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny.

Asabotsy 19 Septambra 2026

Ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.

Zoma 18 Septambra 2026

Aza manasa-tena hanan-karena,
Aza entina amin'izany ny fahendrenao.

Alakamisy 17 Septambra 2026

Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.

Alarobia 16 Septambra 2026

Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?"

Talata 15 Septambra 2026

Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao;
vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.

Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.

Alahady 13 Septambra 2026

Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.

Asabotsy 12 Septambra 2026

Esory aminao ny vava mandainga,
Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.

Zoma 11 Septambra 2026

Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy.

Alakamisy 10 Septambra 2026

Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy.

Alarobia 9 Septambra 2026

Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah;
Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.

Talata 8 Septambra 2026

Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.

Alatsinainy 7 Septambra 2026

Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

Alahady 6 Septambra 2026

Mampahatanjaka ny reraka Izy,
ary izay kely hery dia omeny hery be.

Asabotsy 5 Septambra 2026

Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.

Zoma 4 Septambra 2026

Mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara.

Alakamisy 3 Septambra 2026

Fa izaho kosa dia hihira ny herinao,
ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina,
satria fiarovana avo ho ahy Hianao,
ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.

Alarobia 2 Septambra 2026

Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Talata 1 Septambra 2026

Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.