Alarobia 21 Oktobra 2026
Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako;ary ny lalanao no ato anatiko.
Talata 20 Oktobra 2026
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.Alatsinainy 19 Oktobra 2026
Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.Alahady 18 Oktobra 2026
Ankino amin'i Jehovah ny asanao,Dia ho lavorary izay kasainao.
Zoma 16 Oktobra 2026
Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.Alakamisy 15 Oktobra 2026
Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako,Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.
Alarobia 14 Oktobra 2026
Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.Talata 13 Oktobra 2026
Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.Alatsinainy 12 Oktobra 2026
Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo.Alahady 11 Oktobra 2026
Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.Asabotsy 10 Oktobra 2026
Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.Zoma 9 Oktobra 2026
Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po,fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
Alakamisy 8 Oktobra 2026
Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Alarobia 7 Oktobra 2026
Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?Talata 6 Oktobra 2026
Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo;Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
Alatsinainy 5 Oktobra 2026
Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.Alahady 4 Oktobra 2026
Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.Asabotsy 3 Oktobra 2026
Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao,Fa tsy ho amin'ny fieremana.
Zoma 2 Oktobra 2026
Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.Alakamisy 1 Oktobra 2026
Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako;ary ny lalanao no ato anatiko.