Alakamisy 19 Novambra 2026
Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.Alarobia 18 Novambra 2026
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.Talata 17 Novambra 2026
Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra.Alatsinainy 16 Novambra 2026
Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray.Alahady 15 Novambra 2026
Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.Asabotsy 14 Novambra 2026
Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
Zoma 13 Novambra 2026
Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.Alakamisy 12 Novambra 2026
Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsikaka hiverina indray amin'i Jehovah.
Alarobia 11 Novambra 2026
Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy;Fa ny teny soa no mahafaly azy.
Talata 10 Novambra 2026
Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.Alatsinainy 9 Novambra 2026
Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra.Alahady 8 Novambra 2026
Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao;tsy misy soa ananako azo oharina aminao.
Asabotsy 7 Novambra 2026
Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.Zoma 6 Novambra 2026
Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.Alakamisy 5 Novambra 2026
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana;Fa mivily izay mandà anatra.
Alarobia 4 Novambra 2026
Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy?Talata 3 Novambra 2026
Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.Alatsinainy 2 Novambra 2026
Jehovah ô, efa nandinika ahyHianao ka mahalala ahy.
Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako
Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Alahady 1 Novambra 2026
Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...