DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Isaia

  • Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
    Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
    Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
    Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
  • Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho;
    Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao;
    Mampahery anao Aho sady mamonjy anao;
    Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
  • Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho;
    Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy;
    Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may,
    Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo.
  • Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
  • Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao
    no mitantana ny tananao ankavanana,
    dia ilay manao aminao hoe:
    Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
  • Mampahatanjaka ny reraka Izy,
    ary izay kely hery dia omeny hery be.
  • Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
  • Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao,
    ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.
  • Satria malala eo imasoko ianao,
    eny, be voninahitra ianao sady tiako,
    dia olona no omeko ho solonao,
    ary firenena ho solon'ny ainao.
  • Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika
    sy notorotoroina noho ny helotsika,
    ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy;
    ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,
Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana