DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Jesosy (5/8)

  • Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
  • Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
  • Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
  • Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.
  • Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
  • Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.
  • Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.
  • Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra.
  • Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
  • Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.
  • Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
  • Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
  • Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy.
  • Ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.
  • Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
  • Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
  • Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
  • Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.
  • Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
  • Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
  • Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
  • Eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany.
  • Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
  • Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy.
  • Ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.

Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
Hamantatra bebe kokoa...