- Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
- Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
- Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra.
- Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
- Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
- Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.
- Fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.
- Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.
- Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
- Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra.
- Mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy.
- Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.
- Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
- Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.
- Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.
- Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
- Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.
- Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
- Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
- Sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
- Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.
- Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
- Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
- Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
- Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Ray
Tahaka ny fiantràn'ny ray...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Fanomboana
Ary Izy nitondra ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena;Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
