Alahady 30 Martsa 2025
Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy;Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.
Asabotsy 29 Martsa 2025
Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo.Zoma 28 Martsa 2025
Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.Alakamisy 27 Martsa 2025
Eny, na dia mandeha mamakyny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy.
Alarobia 26 Martsa 2025
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.Talata 25 Martsa 2025
Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.Alatsinainy 24 Martsa 2025
Izay hendry am-po no handray ny didy;Fa ho lavo ny adala maro vava.
Alahady 23 Martsa 2025
Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.Asabotsy 22 Martsa 2025
Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.Zoma 21 Martsa 2025
Ankino amin'i Jehovah ny lalanao,ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy,
ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
Alakamisy 20 Martsa 2025
Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy.Alarobia 19 Martsa 2025
Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.Talata 18 Martsa 2025
Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina;Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra;
Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao,
dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
Alatsinainy 17 Martsa 2025
Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.Alahady 16 Martsa 2025
Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.Asabotsy 15 Martsa 2025
Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana IzyAry miambina ny lalan'ny olony masina.
Zoma 14 Martsa 2025
Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho,Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Alakamisy 13 Martsa 2025
Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.Alarobia 12 Martsa 2025
Iza no ahy any an-danitra?ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.
Talata 11 Martsa 2025
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.Alatsinainy 10 Martsa 2025
Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.Alahady 9 Martsa 2025
Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan'ny tananao izahay rehetra.Asabotsy 8 Martsa 2025
Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.Zoma 7 Martsa 2025
Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika.Alakamisy 6 Martsa 2025
Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô;ampianaro ny sitrakao aho.
Alarobia 5 Martsa 2025
Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo.Talata 4 Martsa 2025
Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.Alatsinainy 3 Martsa 2025
Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!Alahady 2 Martsa 2025
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.Asabotsy 1 Martsa 2025
Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy;Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.