Alakamisy 24 Aprily 2025
Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.Alarobia 23 Aprily 2025
Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany.Talata 22 Aprily 2025
Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra,Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.
Alatsinainy 21 Aprily 2025
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy.Alahady 20 Aprily 2025
Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.Asabotsy 19 Aprily 2025
Eo an-tananao ny androko;Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko
sy izay manenjika ahy.
Zoma 18 Aprily 2025
Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.Alakamisy 17 Aprily 2025
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareoary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
Alarobia 16 Aprily 2025
Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?Talata 15 Aprily 2025
Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.Alatsinainy 14 Aprily 2025
Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro;ny fo torotoro sy mangorakoraka,
Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
Alahady 13 Aprily 2025
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.Asabotsy 12 Aprily 2025
Ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.Zoma 11 Aprily 2025
Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao.
Alakamisy 10 Aprily 2025
Ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay.Alarobia 9 Aprily 2025
Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.Talata 8 Aprily 2025
Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy,Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Alatsinainy 7 Aprily 2025
Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.Alahady 6 Aprily 2025
Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.Asabotsy 5 Aprily 2025
Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany;Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
Zoma 4 Aprily 2025
Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.Alakamisy 3 Aprily 2025
Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.Alarobia 2 Aprily 2025
Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
Talata 1 Aprily 2025
Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...