DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Mey 2025

Asabotsy 31 Mey 2025

Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah.
Haleloia.

Zoma 30 Mey 2025

Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.

Alakamisy 29 Mey 2025

Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.

Alarobia 28 Mey 2025

Izay tia fananarana no tia fahalalana;
Fa izay mandà anatra dia biby.

Talata 27 Mey 2025

Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.

Alatsinainy 26 Mey 2025

Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.

Alahady 25 Mey 2025

Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.

Asabotsy 24 Mey 2025

Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.

Zoma 23 Mey 2025

Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.

Alakamisy 22 Mey 2025

Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany;
Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.

Alarobia 21 Mey 2025

Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo.

Talata 20 Mey 2025

Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

Alatsinainy 19 Mey 2025

Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika;
Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika.

Alahady 18 Mey 2025

Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.

Asabotsy 17 Mey 2025

Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.

Zoma 16 Mey 2025

Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena,
Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.

Alakamisy 15 Mey 2025

Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.

Alarobia 14 Mey 2025

Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.

Talata 13 Mey 2025

Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô;
ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.

Alatsinainy 12 Mey 2025

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.

Alahady 11 Mey 2025

Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.

Asabotsy 10 Mey 2025

Anaka, tandremo ny didin-drainao,
Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.

Zoma 9 Mey 2025

Ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina.

Alakamisy 8 Mey 2025

Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.

Alarobia 7 Mey 2025

Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah,
fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.

Talata 6 Mey 2025

Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.

Alatsinainy 5 Mey 2025

Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.

Alahady 4 Mey 2025

Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena,
Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.

Asabotsy 3 Mey 2025

Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo.

Zoma 2 Mey 2025

Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.

Alakamisy 1 Mey 2025

Raha tsy Jehovah no manao ny trano,
Dia miasa foana ny mpanao azy.
Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna,
Dia miari-tory foana ny mpiambina.