Alatsinainy 30 Jona 2025
Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro,Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
Alahady 29 Jona 2025
Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.Asabotsy 28 Jona 2025
Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah,Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho;
Andriamanitro no hihaino ahy.
Zoma 27 Jona 2025
Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana;Vonjeo aho, dia ho voavonjy;
Fa Hianao no fiderako.
Alakamisy 26 Jona 2025
Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.Alarobia 25 Jona 2025
Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.Talata 24 Jona 2025
Jehovah ô, henoy ny fivavako,ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao;
Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
Alatsinainy 23 Jona 2025
Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.Alahady 22 Jona 2025
Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.Asabotsy 21 Jona 2025
Maina ny ahitra, malazo ny voniny;Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
Zoma 20 Jona 2025
Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.Alakamisy 19 Jona 2025
Koa amin'izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay.Alarobia 18 Jona 2025
Miandrasa an'i Jehovah ianao;matokia, ary aoka hahery ny fonao;
eny, miandrasa an'i Jehovah.
Talata 17 Jona 2025
Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.Alatsinainy 16 Jona 2025
Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.Alahady 15 Jona 2025
Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
Asabotsy 14 Jona 2025
Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.Zoma 13 Jona 2025
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.Alakamisy 12 Jona 2025
Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao;fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
Alarobia 11 Jona 2025
Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.Talata 10 Jona 2025
Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.Alatsinainy 9 Jona 2025
Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany,Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy!
Alahady 8 Jona 2025
Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.Asabotsy 7 Jona 2025
Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana?Zoma 6 Jona 2025
Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy;iza no hatahorako?
Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko;
iza no hangovitako?
Alakamisy 5 Jona 2025
Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.Alarobia 4 Jona 2025
Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.Talata 3 Jona 2025
Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona;Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.
Alatsinainy 2 Jona 2025
Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.Alahady 1 Jona 2025
Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Mahasitrana ny torotoro fo IzySy mamehy ny feriny.Andinin-teny manaraka !