Alakamisy 31 Jolay 2025
Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.Alarobia 30 Jolay 2025
Andramo ka izahao fa tsara Jehovah;sambatra izay olona mialoka aminy.
Talata 29 Jolay 2025
Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.Alatsinainy 28 Jolay 2025
Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.Alahady 27 Jolay 2025
Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah,fa tsy misy afa-tsy Hianao;
ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika.
Asabotsy 26 Jolay 2025
Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra.Zoma 25 Jolay 2025
Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy.Alakamisy 24 Jolay 2025
Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.Alarobia 23 Jolay 2025
Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.Talata 22 Jolay 2025
Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.Alatsinainy 21 Jolay 2025
Sambatra ny madio am-po;fa izy no hahita an'Andriamanitra.
Alahady 20 Jolay 2025
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.Asabotsy 19 Jolay 2025
Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.Zoma 18 Jolay 2025
Jehovah mampahiratra ny jambaJehovah mampitraka ny mitanondrika;
Jehovah tia ny marina.
Alakamisy 17 Jolay 2025
Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.Alarobia 16 Jolay 2025
Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.Talata 15 Jolay 2025
Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
Alatsinainy 14 Jolay 2025
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?Asabotsy 12 Jolay 2025
Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy;Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany
dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
Zoma 11 Jolay 2025
Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.Alakamisy 10 Jolay 2025
Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?Alarobia 9 Jolay 2025
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
Talata 8 Jolay 2025
Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka.Alatsinainy 7 Jolay 2025
Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.Alahady 6 Jolay 2025
Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao;ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.
Asabotsy 5 Jolay 2025
Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.Zoma 4 Jolay 2025
Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.Alakamisy 3 Jolay 2025
Iza moa no nanao sy nahavita izany,sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha?
Izaho Jehovah no voalohany,
ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
Alarobia 2 Jolay 2025
Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.Talata 1 Jolay 2025
Mahatoky izao teny izao:Fa raha miara-maty aminy isika,
dia hiara-belona aminy koa.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?