Alahady 31 Aogositra 2025
Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.Asabotsy 30 Aogositra 2025
Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.Zoma 29 Aogositra 2025
Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy;Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany.
Alakamisy 28 Aogositra 2025
Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.Alarobia 27 Aogositra 2025
Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.Talata 26 Aogositra 2025
Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao;Fa ireny no amelomanao ahy.
Alatsinainy 25 Aogositra 2025
Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?Alahady 24 Aogositra 2025
Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.Asabotsy 23 Aogositra 2025
Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako;
aza mangina amin'ny ranomasoko
fa vahiny aminao aho
sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
Zoma 22 Aogositra 2025
Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy fanahy.Alakamisy 21 Aogositra 2025
Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy?Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao;
Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho,
avy amiko no hahazoana ny vokatrao.
Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany?
Na manan-tsaina mba hahalala izany?
Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah,
ary ny marina no mizotra eny aminy;
Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.
Alarobia 20 Aogositra 2025
Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina;Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina,
ary ny mazava mitoetra ao aminy.
Talata 19 Aogositra 2025
Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.Alatsinainy 18 Aogositra 2025
Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.Alahady 17 Aogositra 2025
Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany,ary tsy ny sandriny no namonjy azy;
fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao
ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
Asabotsy 16 Aogositra 2025
Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.Zoma 15 Aogositra 2025
Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra.Alakamisy 14 Aogositra 2025
Mianara hanao ny tsara,Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory,
Omeo rariny ny kamboty,
tsarao ny adin'ny mpitondratena.
Alarobia 13 Aogositra 2025
Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.Talata 12 Aogositra 2025
Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.Alatsinainy 11 Aogositra 2025
Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninaoKa manome fahalalana ho an'ny kely saina.
Alahady 10 Aogositra 2025
Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.Asabotsy 9 Aogositra 2025
Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.Zoma 8 Aogositra 2025
Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i JehovahDia harena sy voninahitra ary fiainana.
Alakamisy 7 Aogositra 2025
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.Alarobia 6 Aogositra 2025
Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.Talata 5 Aogositra 2025
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho;hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
Alatsinainy 4 Aogositra 2025
Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.Alahady 3 Aogositra 2025
Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay.Asabotsy 2 Aogositra 2025
Ny teny malemy dia hazon'aina;Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
Zoma 1 Aogositra 2025
Dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...