DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Septambra 2025

Talata 30 Septambra 2025

Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava.

Alatsinainy 29 Septambra 2025

Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.

Alahady 28 Septambra 2025

Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy
Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny.

Asabotsy 27 Septambra 2025

Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.

Zoma 26 Septambra 2025

Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.

Alakamisy 25 Septambra 2025

Mahasitrana ny torotoro fo Izy
Sy mamehy ny feriny.

Alarobia 24 Septambra 2025

Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny.

Talata 23 Septambra 2025

Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.

Alatsinainy 22 Septambra 2025

Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko,
ka dia hanantena Azy aho.

Alahady 21 Septambra 2025

Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.

Asabotsy 20 Septambra 2025

Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.

Zoma 19 Septambra 2025

Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?
Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?

Alakamisy 18 Septambra 2025

Eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy.

Alarobia 17 Septambra 2025

Ary ny fonareo no triatriaro,
fa aza ny fitafianareo,
ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo;
Fa mamindra fo sy miantra Izy,
mahari-po sady be famindram-po
ary manenina ny amin'ny loza.

Talata 16 Septambra 2025

Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao,
Dia ho voalamina ny alehanao rehetra.

Alatsinainy 15 Septambra 2025

Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.

Alahady 14 Septambra 2025

Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.

Asabotsy 13 Septambra 2025

Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.

Zoma 12 Septambra 2025

Sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.

Alakamisy 11 Septambra 2025

Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

Alarobia 10 Septambra 2025

Izay mahambim-bava no miaro ny ainy;
Fa izay vavàna dia haringana.

Talata 9 Septambra 2025

Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.

Alatsinainy 8 Septambra 2025

Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.

Alahady 7 Septambra 2025

Ho faly sy ho ravoravo aminao aho;
hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô.

Asabotsy 6 Septambra 2025

Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.

Zoma 5 Septambra 2025

Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.

Alakamisy 4 Septambra 2025

Ny fo ravoravo mahasalama tsara;
Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

Alarobia 3 Septambra 2025

Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.

Talata 2 Septambra 2025

Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.

Alatsinainy 1 Septambra 2025

Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra,
Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.