Alahady 19 Oktobra 2025
Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay,satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
Asabotsy 18 Oktobra 2025
Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Zoma 17 Oktobra 2025
Ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.Alakamisy 16 Oktobra 2025
Ny fahamarinana manandratra ny firenena;Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona.
Alarobia 15 Oktobra 2025
Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Talata 14 Oktobra 2025
Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.Alatsinainy 13 Oktobra 2025
Andriamanitra no iderako ny teniny;Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho;
inona no hataon'ny nofo amiko?
Alahady 12 Oktobra 2025
Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.Asabotsy 11 Oktobra 2025
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo.Zoma 10 Oktobra 2025
Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa;Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy.
Alakamisy 9 Oktobra 2025
Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany, dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.Alarobia 8 Oktobra 2025
Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo.Talata 7 Oktobra 2025
Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko;avy aminy ny famonjena ahy.
Alatsinainy 6 Oktobra 2025
Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.Alahady 5 Oktobra 2025
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.Asabotsy 4 Oktobra 2025
Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra!Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany.
Zoma 3 Oktobra 2025
Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.Alakamisy 2 Oktobra 2025
Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?Alarobia 1 Oktobra 2025
Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay;ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay,satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.