Alahady 30 Novambra 2025
Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina;Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
Asabotsy 29 Novambra 2025
Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.Zoma 28 Novambra 2025
Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.Alakamisy 27 Novambra 2025
Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra;Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
Alarobia 26 Novambra 2025
Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.Talata 25 Novambra 2025
Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona.Alatsinainy 24 Novambra 2025
Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako,Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko,
Sy tahaka ny erika amin'ny ahi-maitso
Ary ny ranonorana amin'ny anana.
Alahady 23 Novambra 2025
Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.Asabotsy 22 Novambra 2025
Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.Zoma 21 Novambra 2025
Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho.Inona no azon'ny olona atao amiko?
Alakamisy 20 Novambra 2025
Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.Alarobia 19 Novambra 2025
Eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany.Talata 18 Novambra 2025
Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana;fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
Alatsinainy 17 Novambra 2025
Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.Alahady 16 Novambra 2025
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Asabotsy 15 Novambra 2025
Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona,ka Izy no mankasitraka ny lalany.
Zoma 14 Novambra 2025
Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.Alakamisy 13 Novambra 2025
Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.Alarobia 12 Novambra 2025
Satria malala eo imasoko ianao,eny, be voninahitra ianao sady tiako,
dia olona no omeko ho solonao,
ary firenena ho solon'ny ainao.
Talata 11 Novambra 2025
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.Alatsinainy 10 Novambra 2025
Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.Alahady 9 Novambra 2025
Ny vavako ho feno ny fideràna Anaosy ny fankalazana Anao mandrakariva.
Asabotsy 8 Novambra 2025
Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.Zoma 7 Novambra 2025
Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra.Alakamisy 6 Novambra 2025
Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana;Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
Alarobia 5 Novambra 2025
Fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.Talata 4 Novambra 2025
Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.Alatsinainy 3 Novambra 2025
Ity no andro nataon'i Jehovah;Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.
Alahady 2 Novambra 2025
Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.Asabotsy 1 Novambra 2025
Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...