Zoma 28 Febroary 2025
Andriamanitra no aro sy hery ho antsika;Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.
Alakamisy 27 Febroary 2025
Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.Alarobia 26 Febroary 2025
Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana.Talata 25 Febroary 2025
Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny,Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.
Alatsinainy 24 Febroary 2025
Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana.Alahady 23 Febroary 2025
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.Asabotsy 22 Febroary 2025
Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
Zoma 21 Febroary 2025
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.Alakamisy 20 Febroary 2025
Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo?Alarobia 19 Febroary 2025
Toho-tantely ny teny mahafinaritra,Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
Talata 18 Febroary 2025
Fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy.Alatsinainy 17 Febroary 2025
Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.Alahady 16 Febroary 2025
Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra;hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho,
hisandratra amin'ny tany Aho.
Asabotsy 15 Febroary 2025
Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.Zoma 14 Febroary 2025
Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.Alakamisy 13 Febroary 2025
Iza no mahita vehivavy tsara?Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
Alarobia 12 Febroary 2025
Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.Talata 11 Febroary 2025
Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana.Alatsinainy 10 Febroary 2025
Raha be ny ahiahy ato anatikoDia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
Alahady 9 Febroary 2025
Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.Asabotsy 8 Febroary 2025
Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.Zoma 7 Febroary 2025
Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy;Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
Alakamisy 6 Febroary 2025
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna ianareo.Alarobia 5 Febroary 2025
Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.Talata 4 Febroary 2025
Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty;omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
Alatsinainy 3 Febroary 2025
Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.Alahady 2 Febroary 2025
Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.Asabotsy 1 Febroary 2025
Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...