Zoma 31 Janoary 2025
Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.Alakamisy 30 Janoary 2025
Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.Alarobia 29 Janoary 2025
Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro;ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.
Talata 28 Janoary 2025
Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.Alatsinainy 27 Janoary 2025
Dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.Alahady 26 Janoary 2025
Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery;Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
Asabotsy 25 Janoary 2025
Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.Zoma 24 Janoary 2025
Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.Alakamisy 23 Janoary 2025
Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao;fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao,
ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
Alarobia 22 Janoary 2025
Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
Talata 21 Janoary 2025
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.Alatsinainy 20 Janoary 2025
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsikasy notorotoroina noho ny helotsika,
ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy;
ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
Alahady 19 Janoary 2025
Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.Asabotsy 18 Janoary 2025
Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.Zoma 17 Janoary 2025
Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
Alakamisy 16 Janoary 2025
Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra.Alarobia 15 Janoary 2025
Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy.Talata 14 Janoary 2025
Ny vy maharanitra ny vy,Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany.
Alatsinainy 13 Janoary 2025
Mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.Alahady 12 Janoary 2025
Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.Asabotsy 11 Janoary 2025
Aiza no hialako amin'ny Fanahinao?Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao;
Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.
Zoma 10 Janoary 2025
Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.Alakamisy 9 Janoary 2025
Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.Alarobia 8 Janoary 2025
Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany;Fa ny lalany rehetra dia amin'ny rariny avokoa.
Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy;
Marina sy mahitsy Izy.
Talata 7 Janoary 2025
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?Alatsinainy 6 Janoary 2025
Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?Alahady 5 Janoary 2025
Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana.Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Asabotsy 4 Janoary 2025
Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.Zoma 3 Janoary 2025
Ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.Alakamisy 2 Janoary 2025
Fa Jehovah no manome fahendrena;Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
Alarobia 1 Janoary 2025
Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...