Talata 31 Desambra 2024
Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.Alatsinainy 30 Desambra 2024
Ampianaro hanao ny sitraponao aho;Fa Hianao no Andriamanitro;
Aoka ny Fanahinao tsara
no hitarihanao ahy amin'izay tany marina.
Alahady 29 Desambra 2024
Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.Asabotsy 28 Desambra 2024
Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.Zoma 27 Desambra 2024
Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah?Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
Alakamisy 26 Desambra 2024
Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.Alarobia 25 Desambra 2024
Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe: Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.Talata 24 Desambra 2024
Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô!aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
Alatsinainy 23 Desambra 2024
Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra.Alahady 22 Desambra 2024
Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy.Asabotsy 21 Desambra 2024
Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
Zoma 20 Desambra 2024
Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.Alakamisy 19 Desambra 2024
Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.Alarobia 18 Desambra 2024
Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery,Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.
Talata 17 Desambra 2024
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.Alatsinainy 16 Desambra 2024
Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.Alahady 15 Desambra 2024
Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao,ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
Asabotsy 14 Desambra 2024
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.Zoma 13 Desambra 2024
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro".Alakamisy 12 Desambra 2024
Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy,fa manafaha anay amin'ny ratsy.
Alarobia 11 Desambra 2024
Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.Talata 10 Desambra 2024
Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.Alatsinainy 9 Desambra 2024
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko?ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
Manantenà an'Andriamanitra,
fa mbola hidera Azy ihany aho,
Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
Alahady 8 Desambra 2024
Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.Asabotsy 7 Desambra 2024
Fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao.Zoma 6 Desambra 2024
Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro;Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy
Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.
Alakamisy 5 Desambra 2024
Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.Alarobia 4 Desambra 2024
Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.Talata 3 Desambra 2024
Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
Alatsinainy 2 Desambra 2024
Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.Alahady 1 Desambra 2024
Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra,
Fa Izy handamina ny lalanao.Andinin-teny manaraka !