DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Jolay 2014)

Alakamisy 31 Jolay 2014

Mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara.

Alarobia 30 Jolay 2014

Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao
ho an'ny matahotra Anao!
dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona
ho an'izay mialoka aminao!

Talata 29 Jolay 2014

Omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.

Alatsinainy 28 Jolay 2014

Anaka, tandremo ny didin-drainao,
Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.

Alahady 27 Jolay 2014

Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.

Asabotsy 26 Jolay 2014

Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa
Sady mahita sitraka amin'i Jehovah.

Zoma 25 Jolay 2014

Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.

Alakamisy 24 Jolay 2014

Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,
dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.

Alarobia 23 Jolay 2014

Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?

Talata 22 Jolay 2014

Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina;
Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy.

Alatsinainy 21 Jolay 2014

Fa Jehovah tia rariny
sady tsy hahafoy ny olony masina;
Harovana mandrakizay ireo;
Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana.

Alahady 20 Jolay 2014

Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.

Asabotsy 19 Jolay 2014

Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.

Zoma 18 Jolay 2014

Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana;
Fa mivily izay mandà anatra.

Alakamisy 17 Jolay 2014

Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

Alarobia 16 Jolay 2014

Anaka, aza manadino ny lalàko;
Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
Fa andro maro sy taona ela iainana
Ary fiadanana no hanampiny ho anao.

Talata 15 Jolay 2014

Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.

Alatsinainy 14 Jolay 2014

Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin'i Jesosy Kristy.

Alahady 13 Jolay 2014

Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny,
Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.

Asabotsy 12 Jolay 2014

Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.

Zoma 11 Jolay 2014

Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.

Alakamisy 10 Jolay 2014

Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.

Alarobia 9 Jolay 2014

Mampahatanjaka ny reraka Izy,
ary izay kely hery dia omeny hery be.

Talata 8 Jolay 2014

Sokafy ny vavanao hisolo ny moana,
Hahazoan'ny kamboty ny rariny.

Alatsinainy 7 Jolay 2014

Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.

Alahady 6 Jolay 2014

Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.

Asabotsy 5 Jolay 2014

Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Zoma 4 Jolay 2014

Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho;
Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Alakamisy 3 Jolay 2014

Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.

Alarobia 2 Jolay 2014

Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;
Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.

Talata 1 Jolay 2014

Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana