DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aogositra 2014)

Alahady 31 Aogositra 2014

Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;
Afehezo eo am-bozonao izany,
Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.

Asabotsy 30 Aogositra 2014

Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.

Zoma 29 Aogositra 2014

Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.

Alakamisy 28 Aogositra 2014

Be saina izay mahatsindry fo;
Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.

Alarobia 27 Aogositra 2014

Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.

Talata 26 Aogositra 2014

Aza mialona ny olon-dozabe,
Na mifidy izay lalany akory,
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.

Alatsinainy 25 Aogositra 2014

Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.

Alahady 24 Aogositra 2014

Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po
Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.

Asabotsy 23 Aogositra 2014

Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.

Zoma 22 Aogositra 2014

Raha tsy Jehovah no manao ny trano,
Dia miasa foana ny mpanao azy.
Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna,
Dia miari-tory foana ny mpiambina.

Alakamisy 21 Aogositra 2014

Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.

Alarobia 20 Aogositra 2014

Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.

Talata 19 Aogositra 2014

Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

Alatsinainy 18 Aogositra 2014

Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.

Alahady 17 Aogositra 2014

Iza no mahita vehivavy tsara?
Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.

Asabotsy 16 Aogositra 2014

Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.

Zoma 15 Aogositra 2014

Izay mandinika ny teny no hahita soa;
Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.

Alakamisy 14 Aogositra 2014

Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy.

Alarobia 13 Aogositra 2014

Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.

Talata 12 Aogositra 2014

Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany;
nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany;
amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina;
Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

Alatsinainy 11 Aogositra 2014

Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.

Alahady 10 Aogositra 2014

Jehovah ô, Hianao no ialofako;
aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho;
vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.

Asabotsy 9 Aogositra 2014

Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.

Zoma 8 Aogositra 2014

Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

Alakamisy 7 Aogositra 2014

Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina,
izay monina mandrakizay, masina no anarany:
Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako,
ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena,
hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena
sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo.

Alarobia 6 Aogositra 2014

Ankino amin'i Jehovah ny asanao,
Dia ho lavorary izay kasainao.

Talata 5 Aogositra 2014

Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?

Alatsinainy 4 Aogositra 2014

Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,
Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra,
Fa Izy handamina ny lalanao.

Alahady 3 Aogositra 2014

Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana
No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

Asabotsy 2 Aogositra 2014

Ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.

Zoma 1 Aogositra 2014

Izao no lazain'i Jehovah:
Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao,
ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela.
Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory,
dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo;
Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy,
sady misaintsaina ny marina ny fony;
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany,
sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana