DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Septambra 2014)

Talata 30 Septambra 2014

Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.

Alatsinainy 29 Septambra 2014

Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.

Alahady 28 Septambra 2014

Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony,
ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

Asabotsy 27 Septambra 2014

Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa.

Zoma 26 Septambra 2014

Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.

Alakamisy 25 Septambra 2014

Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.

Alarobia 24 Septambra 2014

Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.

Talata 23 Septambra 2014

Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.

Alatsinainy 22 Septambra 2014

Hianao no fiereko,
miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao;
fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.

Alahady 21 Septambra 2014

Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo.

Asabotsy 20 Septambra 2014

Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka;
Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.

Zoma 19 Septambra 2014

Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola.

Alakamisy 18 Septambra 2014

Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany.

Alarobia 17 Septambra 2014

Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.

Talata 16 Septambra 2014

Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy,
Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.

Alatsinainy 15 Septambra 2014

Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky;
Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.

Alahady 14 Septambra 2014

Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.

Asabotsy 13 Septambra 2014

Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra.

Zoma 12 Septambra 2014

Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy
amin'ny andro rehetra hiainako,
dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.

Alakamisy 11 Septambra 2014

Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako;
Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.

Alarobia 10 Septambra 2014

Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.

Talata 9 Septambra 2014

Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.

Alatsinainy 8 Septambra 2014

Izay hendry am-po no handray ny didy;
Fa ho lavo ny adala maro vava.

Alahady 7 Septambra 2014

Mamindra fo sy miantra Jehovah,
Mahari-po sady be famindram-po.

Asabotsy 6 Septambra 2014

Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.

Zoma 5 Septambra 2014

Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah,
Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
Fa izay tian'i Jehovah no anariny,
Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.

Alakamisy 4 Septambra 2014

Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.

Alarobia 3 Septambra 2014

Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao;
vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.

Talata 2 Septambra 2014

Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.

Alatsinainy 1 Septambra 2014

Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Be saina izay mahatsindry fo;
Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana