DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Oktobra 2014)

Zoma 31 Oktobra 2014

Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.

Alakamisy 30 Oktobra 2014

Fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho".

Alarobia 29 Oktobra 2014

Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.

Talata 28 Oktobra 2014

Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

Alatsinainy 27 Oktobra 2014

Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.

Alahady 26 Oktobra 2014

Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah;
Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.

Asabotsy 25 Oktobra 2014

Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy.

Zoma 24 Oktobra 2014

Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena.

Alakamisy 23 Oktobra 2014

Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.

Alarobia 22 Oktobra 2014

Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay.

Talata 21 Oktobra 2014

Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay;
ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.

Alatsinainy 20 Oktobra 2014

Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.

Alahady 19 Oktobra 2014

Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.

Asabotsy 18 Oktobra 2014

Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

Zoma 17 Oktobra 2014

An'i Jehovah ny famonjena;
Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.

Alakamisy 16 Oktobra 2014

Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.

Alarobia 15 Oktobra 2014

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.

Talata 14 Oktobra 2014

Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona;
Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.

Alatsinainy 13 Oktobra 2014

Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.

Alahady 12 Oktobra 2014

Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy.

Asabotsy 11 Oktobra 2014

Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?"

Zoma 10 Oktobra 2014

Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.

Alakamisy 9 Oktobra 2014

Iza no ahy any an-danitra?
ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.

Alarobia 8 Oktobra 2014

Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.

Talata 7 Oktobra 2014

Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy.

Alatsinainy 6 Oktobra 2014

Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao
Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra.

Alahady 5 Oktobra 2014

Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.

Asabotsy 4 Oktobra 2014

Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.

Zoma 3 Oktobra 2014

Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.

Alakamisy 2 Oktobra 2014

Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.

Alarobia 1 Oktobra 2014

Maro ny fahorian'ny marina;
nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana